Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko voalohany

26 Jereo ange, ry rahalahy, izato hianareo voaantso e: tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana!

27 fa izay ataon'izao tontolo izao ho adala no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon'izao tontolo izao ho malemy no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; 28 ary izay iva razana amana faneso amin'izao tontolo izao, dia ny atao ho tsy mizy aza, no nofidin'Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, 29 mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. 30 Fa avy aminy no maha-ao amin'ny Kristy Jesoa anareo, dia ilay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika, 31 mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1037